<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>R. Jackson</author>
<hymn_number>783</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 He, maharavoravo !
 Miantso zaza e
 Ny Andriamanitra avo,
 Mpanjaka lehibe ;
 Ka andeha hanatona Azy,
 Fa hoy ny Tomponao :
 &quot;Mba avelao ny zaza
 Hanatona Ahy izao.&quot;

[V2]
 Isika mbola zaza
 Kanefa tian'ny Ray,
 Na dia tsy hendry aza,
 Na dia tsy mba mahay !
 Ka andeha, ..sns.

[V3]
 Ny tahotra esory,
 Ny henatra ario ;
 Tsy laviny akory,
 Ka manatòna anio :
 Ka andeha, ..sns.

[V4]
 Manetry tena izy,
 Ka saotra no atao;
 Isika mbola ankizy
 Matoky Azy izao,
 Ka andeha, ..sns.

[V5]
 He maharavoravo !
 He, mahafaly fo !
 Fa zanaky ny Avo
 Isika atý anio :
 Ka andeha, ..sns.</lyrics>
<title>He maharavoravo! FFPM783</title>
</song>